…
…
na inona hotenenina,
io ny sori-dalana ;
tsy ho an-dRajoelina
na ho an-dRavalomanana
fa ho an’ny firenena
lasa mikorontana.
very an-katerena
ka mila fanavotana,
efa samy resy
matoa tsy nahatana
ny vondrona Sadeky
tsy ho tompom-pahefana ;
koa aoka hankatoa
fa efa miharihary
fa izy no Tsitoha
sy lasa Zanahary.
izaho aloha tsy mino
ny fiainana hiova
satria tsy hanadino
ny tena zava-doza :
ireo endrika efa ratsy
navoaka halaina sary…
…dia faly erý ry Zafy,
nipaompy ny Amiraly !
ny resaka mivoaka
mampanongo tena,
tsy ijerem-bahoaka
na hasim-pirenena :
- « ialahy tsy mahazo mody
fa ny tany tsy milam..! »
- « izaho hanao angovy,
tsy hiraharaha notam ! »
ny madinika saozanina,
arebirebim-bola,
vao tairina dia fanina,
mitsilany dia mandrora ;
bado loatra mantsy,
ampiasana fikafika,
ka avorivory hihantsy
sy ho faty an-dra mandriaka.
…
ry mpanao pôlitika
miady mifandramatra :
ny taranatsika
terena foana hianatra
kanefa ny ampitsony
potehina masiaka.
Ny fahoria-mikitrony…
…MIOZONA HO ANTSIKA !
ARNYR Andrianarisaina
21.01.2012